Fambolen-kazo 2020

Ho fitondrana ny anjarabirikiny amin’ny firenena, dia nanatanteraka hetsika fambolen-kazo ny Foibem-pitantanana ankapobeny ny Hetra, izay notarihan’Andriamatoa Germain, Tale Jeneralin’ny Hetra sy ny ekipany, ny zoma 06 febroary lasa teo, teny Andranovelona, distrikan’Ankazobe.

Tonga navitrika tokoa ireo mpiara-miasa teto amin’ny faritra Analamanga, ary tena hita taratra tamin’izany ny firaisankina sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra hamboly hazo, araka ilay teny filamatra « ho rakotra ala i Madagasikara ». Ka zana-kazo 6 000 isa no voavoly tamin’izany.
Voamarika tamin’izany indrindra koa ny hafanam-pon’ireo vehivavy mpiasan’ny DGI, izay tena nanamafy ny maha-fototenin’ny « firenena » ny hoe « reny », satria dia maro izy ireo no tonga nanatontosa ny adidin’izy ireo ho an’ny taranaka.

Teny am-pisarahana dia nanao ny teny fisaorany Andriamatoa Tale Jeneraly no sady nankahery ihany koa ireo mpiara-miasa « iray vatsy iray aina » amin’ny fanatontosana ny andraikitra maro samihafa izay mbola miandry ny tsirairay. Nankasitrahany manokana koa ireo « Vaiavy mahavita azy » izay nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ny alahady 08 martsa teo.