Fampiofanana momba ny Hetran'ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana

Tontosa tao amin'ny efitrano malalaky ny Région Atsinanana, ny zoma 10 Jolay lasa teo, ny fampiofanana ireo tomponandraikitra vaovao eo anivon'ny Faritra Atsinanana sy ny Kaominina Toamasina renivohitra, momba ny Hetran'ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. 

Izany dia notarihan'ny Sampan-draharaha misahana ny loharanon-karena anatiny na ny « Service des Ressources Locales » ary nifarimbonan'ireo sampana samihafa mandrafitra ny Fitaleavam-paritry ny Hetra Atsinanana. 

Naharitra ny tapak'andro maraina ny fihaonana ary nizotra tao anatin'ny fanajana ireo fepetra fisorohana ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus.