FIVORIAN'NY MPANDRINDRA NY E-BILAN

Tontosa anio Zoma 30 oktobra ny fivoriana voalohan’ny Komity mpandrindra na ny Comité de Pilotage ho an’ny tolotra vaovao ao amin’ny sehatra e-Hetra dia ny e-Bilan izany.

Marihana fa ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no mitarika ity Komity ity, ary ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Foibem-pitondrana Ankapobeny ny Hetra, ny Filankevitra ambony momba ny fitantanana kaonty (CSC), ny holafitr’ireo mpitantan-kaonty (OECFM), ny Banky Foiben'i Madagasikara, ny GBCI Pnud ary IKA Conseil no mandrafitra azy.

Marihana fa ny e-bilan dia fitaovana iray napetraky ny Ministeran'ny Toe-karena sy Fitantanam-bola entina hiadina amin'ny kolikoly eo amin'ny sehatry ny fanaovana kaonty sy bilan. Ny tanjona dia mba tsy ho samihafa na koa hoe hiovaova ny bilan ampiasaina arakarakara ny ilàna azy, eny amin'ny ivon'ny hetra, eny amin'ny orinasa, eny amin'ny tsenam-barom-panjakana...