Volavolan-dàlana mifehy ny tetibolam-panjakana 2022.

Fampitam-baovao mikasika ny volavolan-dàlana mifehy ny tetibolam-panjakana 2022.

Taorian'ny fitetezam-paritra, fihaonana tamin'ireo Governora ary fivoriana niarahana tamin'ny sehatra tsy miankina sy ireo fiarahamonim-pirenena, dia vita rafitra eto anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny drafitra voalohany amin'ny volavolan-dàlana mifehy ny tetibolam-panjakana 2022.

Handalo fandinihina eny amin'ny Filankevitry ny Governemanta sy ny Minisitra izany avy eo, alohan'ny andefasana izany any amin'ny Antenimiera roa tonta.

Ny endriny feno dia ho ampahafantarina eto ihany rehefa avy mandalo ny ambaratonga rehetra.