Tolotra e-Hetraphone - Atrikasa ho an'ny mpisehatra anatiny

Tolotra e-Hetraphone - Atrikasa ho an'ny mpisehatra anatiny 

 
Mba ho fanomanana ny fanapariahana ny tolotra e-Hetraphone manerana ny faritra dia nanatanteraka atrikasa in-telo miantaona ho an’ireo mpiara-miasa eo anivony, ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny Hetra (DGI), sy ny Tetikasa PIFM, izay tohanan’ny banky iraisam-pirenena, ny 27 ka hatramin’ny 29 Oktobra 2021 lasa teo.
 
Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny solotenan’ireo rafi-pitondrana sy mpiasan’ny hetra isan’ambaratongany. Nifantoka manokana tamin’ny fifampizarana ireo teboka hampandeha, sy ireo sakana mety ho sedraina mandritra ny fanapariahana ny e-Hetraphone ny fifanakalozana natao. Amin’ny maha mpisehatra voalohany azy ireo dia ny hahazoana tolokevitra mahomby ahafahana namolavola drafitra maty paika iraisana no tanjona.