ANJARA Hetrako région DIANA

Akon'ny lanonana Fampahafantarana amin'ny fomba ofisialy ny tolotra e-Hetraphone sy fanokafana ny hetsika ANJARA Hetrako faritra DIANA, izay notanterahina ny alatsinainy 29 Novambra 2021, teo anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Antsiranana, teo ambany fitarihan'ny Lehiben'ny Faritra DIANA sy ny Lehiben'ny Fileovana eto Antsiranana.

Teny filamatry ny hetsika ny hoe : "Anjara Hetranakà, andesiko hampandrosoagna ny tanànakà" Eo amin’ny PLACE RITZ kosa no itohizan'ny hetsika eto Antsiranana hatramin'ny rahampitso alarobia 1 Desambra. Ny 2 sy 3 Desambra kosa ny anjaran'ny tanànan'Ambilobe, ary hifarana ny 6 sy 7 Desambra ao Ambanja izany.

Amafisina hatrany fa famporisihana ho amin'ny fidirana ao amin'ny valan'ny ara-dalàna, no tanjona voalohan'izao hetsika izao, amin’ny alalan’ny ANJARA Hetrako. Fanamorana ny fanaovana ireo adidy ara-ketra kosa no entin'ny tolotra e-Hetraphone.