ANJARA Hetrako Faritra SOFIA

Nahaliana ny maro ka naharitra hatramin'ny 7 ora sy sasany hariva ny hetsika ANJARA Hetrako faritra DIANA sy Sofia, nandritra ireo andro roa voalohany. Mifarana anio alarobia 1 Desambra ny anjaran'ny tampon-tanànan'i Antsiranana sy Antsohihy. Ho an'ny roa andro manaraka, ny 2 sy 3 Desambra, dia hitodi-doha ho any Ambilobe ny ekipa DIANA ary Boriziny kosa ny an'i Sofia.