Fihaonana tamin'ireo koperativa sy ny fikambanan'ny mpanao asatanana, ny Ministera ny hay tao sy ny asatanana.

Niroso tamin'ny dingana voalohany amin'ny fanatanterahana ny fifanarahana fiaraha-miasa izay nosoniavina ny 17 janoary lasa teo, ny Ministeran'ny Hay-tao sy ny Asa tanana (MAM), ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny Hetra (DGI), ny Tahirim-pirenena malagasy misahana ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) ary ny banky BNI, ny marainan'ny Talata 15 martsa 2022, teny amin’ny Tranoben'ny MAM eny Andavamamba.


Fihaonana tamin'ireo solotenan'ny Koperativa sy Fikambanana mpanao asa tanana no nanombohana izany, ka nitondra ny fanazavana mahakasika ny tolotra rehetra izay hositrahan'ireo mpanao asatanana ireo tomponandraikitra tsirairay.


Fanentanana amin'ny fidirana ao amin'ny valan'ny ara-dalàna ary fampahafantarana ireo fanampiana ara-tsosialy ireo mpanao asa tanana amin’ny fampivoarany ny asany no anton'izao fifampiresahana izao.
Araka izany dia :
- Fanamorana ny fahazoana ny Karatry ny mpandoa hetra;
- Fiahiana ara-tsosialy toa ny fisotroan-dronono, volan-jaza, fanampiana noho ny fahavoazana amin'ny asa ;
- Fampindramam-bola amin'ny tahany 9% no homena ireo mpanao asatanana izay hiroso amin'ny fanatonana ny ara-dalàna.
Nandray ireo fitarainana sy hetahetan'ireo Koperativa sy Fikambanana mpanao asatanana ireo ihany koa ireto tomponandraikitra, ary nanome toky fa hikaroka ny vahaolana sy hanamora ny fifampiresahana amin'ireo departemanta tsirairay voakasika. Misokatra ihany koa ny varavaran'ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny Hay tao, eo anivon’ny MAM, ho an'ireo rehetra izay manana fangatahana manokana mahakasika ity tetikasa iarahan'ny Ministera, ny DGI, ny CNaPS ary ny BNI ity.


Marihana fa santatra am-bavarano ihany izao fihaonana izao, satria ny tanjona dia ny hanentanana ireo mpanao asatanana rehetra manerana ny nosy.