Anjara Hetrako May 2022

L'événement ANJARA Hetrako s'est tenu avec succès dans les régions de Menabe et Vakinankaratra, du 17 au 27 mai.

Nahomby tokoa ny hetsika satria nahatratra 1842 ny isan'ireo mpandoa hetra vaovao, ary mpandraharaha madinika sy tena madinika ahitana ireo karazan-tsehapamokarana samihafa toy ny fambolena, ny fiompiana, ny varotra maro isan-karazany no namaly ny antso.

Raha tsiahivina dia natomboka teto Analamanga, nitohy tany amin'ny faritra Avaratra (DIANA, Sofia ary Betsiboka), ary hanerana ny nosy ity hetsika fanatonana ifotony sy fanamorana ny fidirana anatin’ny ara-dalàna "ANJARA Hetrako" ity.

Ny Foibem-pitantanana ankapobeny ny Hetra dia maneho ny fisaorana sy fankasitrahana feno an'ireo mpiara-miasa nifarimbona ho fanatontosana ny hetsika, ireo tomponandraiki-panjakana nanohana, ary indrindra ireo olom-pirenena resy lahatra amin'ny maha-zavadehibe ny famitana ireo adidy ara-ketra, izay adidy masina tokoa amin'ny firenena.