Convention Multilatérale d'Assistance Administrative Mutuelle en matière Fiscale (MAAC)

Nosoniavina androany 07 jolay 2022 ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny hetra marolafy na ny “Convention multilateral on mutual administrative Assistance in Taxes (MAAC)” izay nanasana manokana an’i Madagasikara. Fifanarahana fiaraha-miasa izay tena zava-dehibe taorian’ny naha-mpikambana an’i Madagasikara Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rtoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo sy ny Lehiben’ny Vondrona iraisam-pirenena misahana ny fampandrosoana ny fahaiza-manao, Atoa HAMADI Hakim, no nitarika ny fanaovan-tsonia ary notronin’Andriamatoa RAJOHNSON Olivier Hugues Rija, Masoivohon’i Madagasikara eto Frantsa. Tonga nanatrika ity hetsika ity ihany koa ny tale jeneralin’ny Foibe jeneralin’ny hetra, Atoa GERMAIN izay hanatrika ny atrikasa amin’ity fikaonan-doha iraisam-pirenena ity rahampitso 8 jolay. Efa tamin’ny taona 2017 no nandrasana izany sonia izany saingy nanaiky hiroso amin’izany mangarahara izany ity Governemanta ity, tao amin’ny filankevitry ny minisitra ny 8 jona 2022. Noho izany, firenena 165 no afaka manome "