Miara misôma 2022

Nosokafana ara-pomba ofisialy ny fifaninana "Miara-misôma" andiany faha-5 teto Toamasina androany faha 26 Septambra 2022.

Nanokatra izany ny Filoha Lefitry ny ASCAL, ny Préfet Toamasina, Ramatoa Talen'ny Kabinetran'ny MEF, sy ireo lehiben'ny rantsamangaikan'ny Minisitera.

Amin'ny maha-andiany faha-5n'ny Miara-misôma dia nisy ny fanapahana mofo mamy ho fankalazana izany.

Marihina fa 26 hatramin'ny 30 Septambra no hifaninana ny mpiasan'ny MEF avy amin'ny faritra samihafa eto Toamasina.