Anjara hetrako Miarinarivo
ITASY sy BONGOLAVA mandray ny Hetsika Anjara Hetrako
Tontosa omaly 13 Jona, tao amin'ny Tranom-pokonolona Miarinarivo, ny lanonana fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika Anjara Hetrako, izay notarihin'ny Jeneraly ANDRIAMANANA Solofonirina Maherizo, Governoran'ny Faritra Itasy, ary nohotronin'ireo Solombavambahoaka voafidy teto an-toerana sy ny Ben'ny tanànan'i Miarinarivo ary ny delegasiaonina notarihan'Andriamatoa GERMAIN Tale Jeneralin'ny Hetra.
Efa tsy zoviana amin'ny rehetra moa ny hetsika Anjara Hetrako, izay sehatra iray natao hanamorana ny fampidirana ireo mpandraharaha madinika hiditra ao amin'ny valan'ny ara-dalàna.
Dika mitovy amin'ny kara-panondrom-pirenena sy fanamarinam-ponenana ihany no takiana ary vola Ar 16 000, izay aloa amin'ny e-Hetraphone, izany hoe miaraka amin'ny kaonty MVola, OrangeMoney na AirtelMoney.
Haharitra hatramin'ny 17 Jona izao fandalovan'ny ekipa Anjara Hetrako amin'ny fiadidian'ny Fitaleavam-paritry ny Hetra Itasy izao.