Immatriculation
Paika momba ny fanomezana laharam-pamantarana ny mpandoa hetra
Dingana arahina amin'ny fananganana orinasa
- Ivotoeran-ketra mifanaraka amin’ny fonenan’ny mpandoa hetra (handoavana ny hetra tambatra na ny ampaham-bola narotsaka mialoha).
- Instat Anosy (hakana ny karatra statistika)
- Ivotoeran-ketra (hakàna ny laharam-pamantarana ny mpandoa hetra)
- Rejisitry ny varotra eny Anosy
Taratasy ilaina ahazoana ny laharam-pamantarana ny mpandoa hetra
- Kara-panondrom-pirenena na karatry ny mponina ho an’ny vahiny.
- Karatra statistika
- Tapakila sy taratasy fandrotsaham-bola momba ny hetra tambatra na ny ampaham-bola aloa mialoha
- Fanamarinam-ponenana,
- Kisarisary misy ny toeram-piasana voamarin'ny fokontany,
- Titra ny fananan-trano, (ho an'ireo manofa, na mahazo alalana ampiasana ny trano),
- Kara-piara ho an’ireo mpitatita entana, mpitatitra olona, mpampanofa fiara
- Fahazoan-dalana ho an’ireo fiara karetsaka sy ny fiara mpitatitra olona.
- Fahazoan-dalana ho an’ireo mpivarotra zava-pisotro misy alikaola.
- Fanomezan-dalana avy amin’ny Ministera ho an’ny sekoly, ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, ny toeram-panatobiana fanafody,… (sy ireo asa hafa ilana fanomezan-dalana)
- Fanomezam-pahefana voamarina raha toa ka misy tsy fahatongavan’ny mpangataka ny fanamarinana ny laharam-pamantarana sy ny kara-panondrom-pirenen’ny nomem-pahefana.
- Sata voasoratra, fifanaraham-pitoerana na didim-pitondrana manendry ny famoaham-bola na tapakila fandrotsaham-bola avy amin’ny fandraharahana isam-paritra, fanamarinam-pisiana, kara-panondrom-pirenena sy fanamarinam-ponenan’ny mpitantana na ny filoha, karatra statistika ho an’ny fikambanana na ONG. Ho an’ireo karazan’orinasa hafa rehetra hatonina ny EDBM.
- Nomerao ny kaonty ammin'ny Banky,
- Nomerao ny fangatahana fisoratana anarana tao amin'ny NIFONLINE sy ny taratasy fameno misy izany fangatahana fisoratana amin'ny fanisana izany.
Taratasy ilaina ahazoana dikasolo
- Fanamarinana fanambarana fahaverezana avy amin’ny paositry ny pôlisy na ny paositry ny zandarimaria raha toa ka nisy fahaverezana.
- Kara-panondrom-pirenena, (kara-panondrom-pirenen’ny mpitantana ho an’ny orinasa), karatra statistika, fanamarinam-ponenana,(fanamarinam-ponenan’ny mpitantana sy fanamarinam-pisiana ho an’ny orinasa), toe-ketra, kara-pamantarana ny asa aman-draharaha (CF na CIS)
- Fangatahana an-tsoratra.
Taratasy ilaina mikasika ny fitsaharana amin'ny asa
- Fangatahana fitsaharana nankatoavin’ny tompon’andraikitry ny ivotoeran-ketra ho an’ny orinasan’olon-tokana na fitanana an-tsoratra mirakitra ny fanafoanana voasoratra am-boky ao amin’ny biraon-ketra mitantana ny antontan-taratasiny ho an’ny orinasa (dikany roa)
- Ny karatra na fanamarinana ny fanambarana fahaverezana avy amin’ny paositry ny pôlisy na ny paositry ny zandarimaria raha toa ka misy fahaverezan’ny matoan’ny fanamarinana.
Varotra ho an'ny rehetra
Famerenana TVA
- Statistique et délai de remboursement de crédits de TVA 2011. Lire
- Statistique et délai de remboursement de crédits de TVA (récap mai 2010). Lire
- Statistique et délai de remboursement de crédits de TVA (récap au juin 2010). Lire
- Statistique et delai de remboursement de crédits de TVA Année 2009 (en date du 01/02/10). Lire
Centre de gestion agréé
Arreté d'application n° 17514/08 du 23 Septembre 2008
Portant application des dispositions du Code Général des Impôts relatives aux Centres de Gestion. [lire]
Tovana TVA
Manuel d'envoi des annexes TVA