Torolalana ho an'ireo olona hanao asa-mandraharaha eto Madagasikara

 

DINGANA ARAHINA AMIN’NY FANANGANA ORINASAN’OLON-TOKANA

Alohan’ny hanombohan’ny asa aman-draharaha mikasika ny orinasan’olon-tokana dia tsy maintsy manana laharam-pamatarana ny mpandoa hetra ny tsirairay (NIF). 
Antontan-taratasy ilaina:

  • Dika mitovy voamarin’ny Kara-panondrom-pirenena,
  • Karatry ny mponina ho an’ny vahiny, Karatry ny Mpiasa vahiny tsy mandray vola isam-bolana (CIPENS),
  • Fanamarinam-ponenana (latsaky ny telo volana),
  • Kisary manondro ny toeram-ponenana voamarin’ny Lehiben’ny Fokontany,
  • Tapakila sy taratasy fandrotsaham-bola momban’ny hetra tambatra na ny ampaham-bola aloha mialoha,
  • Karatra Statistika (Any amin’ny  faritra misy biraon’ny  INSTAT),
  • Taratasy manamarina ny maha-tompon’ny toerana iasana,
  • Fanomezam-pahefana voamarina raha toa ka misy tsy fahafahan’ny tompony,
  • Fahazoan-dalàna manokana mifandraika amin’ny asa tiana hatao avy amin’ny Ministera samihafa (Sekoly - Harena ankibon’ny tany …),
  • Laharan’ny kaonty any amin’ny banky (R.I.B),
  • Laharan’ny fangatahana natao tao amin’ny tranon-kala (https://hetraonline.impots.mg/Inscrit/),

DINGANA ARAHINA AMIN’NY FANANGANA ORINASA (Sosaiety)

Tokony handalo ny ivon-ketra mahefa any amin’ny faritra tsirairay ny fananganana orinasa.

Kanefa misy ny sampandraharaha manokana nantsangana, dia ny EDBM (Economic Development Board) izany, izay misahana manokana ny fananganana Orinasa sy mampiroborobo ary manatsara ny tontolon’ny asa aman-draharaha rehetra misy eto an-toerana.

Ny Orinasa rehetra voafaritry ny lalàna mikasika ny Orinasam-barotra dia tokony ho azo hatsangana eo anivon’ny EDBM avokoa na eny amin’ny Ivon-ketra mahefa (faritra tsy misy ny biraon’ny EDBM).

Antontan-taratasy ilaina:

  • Dika mitovy miisa valo ny Sata mifehy ny Orinasa,
  • Dika mitovy miisa dimy ny Fanamarinam-pisiana,
  • Dika mitovy miisa efatra ny Fifanaraham-panofana raha mpanofa,
  • Dika mitovy miisa roa ny fanamarinam-pananana na Certificat de situation juridique (latsaky ny telo volana),
  • Dika mitovy voamarin’ny Kara-panondrom-pirenena ho an’ireo Tompon’andraikitra voalohany,
  • Karatry ny mponina ho an’ny vahiny, Karatry ny Mpiasa vahiny tsy mandray vola isam-bolana (CIPENS),
  • Fanamarinam-ponenana ny Tompon’andraikitra voalohany (latsaky ny telo volana),
  • Kisary manondro ny toeram-ponenana voamarin’ny Lehiben’ny Fokontany,
  • Karatra fanamarinana ara-ketra ho an’ireo Orinasa mpiara-miombon’antoka,
  • Karatra Statistika (Any amin’ny  faritra misy biraon’ny  INSTAT), 
  • Fahazoan-dalàna manokana mifandraika amin’ny asa tiana hatao avy amin’ny Ministera samihafa (Sekoly - Harena ankibon’ny tany …),
  • Fanomezam-pahefana voamarina raha toa ka misy tsy fahafahan’ny mpitantana-filoha,
  • Laharan’ny kaonty any amin’ny banky (R.I.B),
  • Laharan’ny fangatahana natao tao amin’ny tranon-kala (https://hetraonline.impots.mg/Inscrit/),

Antontan-taratasy fanampiny ho an’ny SA​​

  • Fitanana an-tsoratra ny fivoriam-be momban’ny  fananganana ny orinasa,
  • Fitanana an-tsoratra ny fanapahan’ny filan-kevi-pitantanana,
  • Filazana  ny fandraisan’antoka ataon’ny mpiara-miombon-antoka sy fandrotsaham-bola mifanandrify amin’izany,
  • Taratasy mamitina ireo mpiara-miombon’antoka sy ny ambahidaim-bidin’ny antoka noraisin’ny  tsirairay avy,
  • Filazana ny ambahidahin’ny antoka sy ny vola efa voarotsaky ny tsirairay,
  • Taratasy fanamarinana ny fandrotsaham-bola ho an’ny kaontin’ny renivolan’ny orinasa

NIFONLINE​

Mba hafahanao mahazo ny laharam-pamatarana ny mpandoa hetra, ny tsirairay izay te-hanangana fikambanam-barotra na orinasan’olon-tokana, dia tokony hameno ny mombamomba ny Orinasa n any fikambanam-barotra ao amin’ny tranon-kalan’ny Hetra (https://hetraonline.impots.mg/Inscrit/) sady mameno ny taratasy mifanaraka amin’izany.MAIMAIMPOANA NY FAKANA NIFONLINE

IREO KARAZAN’ASA MANANA FIFEHEZANA MANOKANA

Ny karazan’asa rehetra mahakasika ny harena ankibon’ny tany, ny kilalaon-doka, ny fampielezam-peo, ny televiziona, ny fifandraisan-davitra sy ny serasera, ny ala sy ny tontolo rehetra manodidina azy, ny asa mahakasika ny fahasalamam-bahoaka, ny paraky sy ny zava-pisotro misy alikaola, sy izay rehetra mety misy fanaraha-maso manokana dia mila fahazoan-dalana mialoha avy amin’ireo Ministera isan-tsokajiny.

FOMBA FAMERANA NY HETRA

  • Ho an’ireo manana vola maty mihoatra ny Ar 200 tapitrisa dia iharan’ny lalàna mahakasika ny hetra amin’ny vola miditra (IR) sy ny haba avy amin’ny tataom-bidy (TVA),
  • Ireo manana vola maty eo anelanelan’ny Ar 20 tapitrisa ka hatramin’ny Ar 200 tapitrisa dia manaraka ny lalàna mahakasika ny hetra amin’ny vola miditra (IR) ihany,
  • Azo atao ihany koa anefa ny mangataka raha te hanaraka ny lalàna mahakasika ny hetra amin’ny haba avy amin’ny tataom-bidy (TVA) ny orinasa,
  • Ho an’ireo manana vola maty latsaky ny Ar 20 tapitrisa dia manaraka ny lalànan’ny Hetra Tambatra (IS).

IREO KARAZAN-KETRA SY HABA

Hetra alaina amin’ny vola miditra na tombom-barotra (IR)     
Hetra alaina amin’ny vola miditra na tombom-barotra azo mandritry ny taom-piasana iray, Tahan-ketra : 20%

Fotoana fandoavan-ketra :

  • Farafahatarany ny faha 15 ny volana May amin’ny taona manaraka ny taom-piasana raha toa ka mifarana ny faha 31 Desambra ny taom-piasana, 
  • Farafahatarany ny faha 15 ny volana Novambra ho an’ny taom-piasana mifarana ny 30 Jona,
  • Ny tranga hafa ankoatra ireo dia efa-bolana aorian’ny fifaranan’ny taom-piasana.

Hetra Tambatra (IS)

Hetra alaina amin’ny vola maty mandritra ny taona. Izay analana ny ampahan-ketra (acomptes) naloa mialoha.
Tahan-ketra : 5%

Fotoana fandoavan-ketra : 

  • Alohan’ny faha 31 ny volana Marsa amin’ny taona manaraka ny taom-piasana. 

Hetra amin’ny fananana mitera-bola amin’ny zana-bola sy ny zana-tombony (IRCM)

Ity hetra ity dia alaina isa-taona amin’ny fitomboan-karena azo avy amin’ny fananana mitera-bola na azo avy amin’ny petra-bola (zana-bola, ny vola miditra rehetra azo avy amin’ny fampindramam-bola sy ny petra-bola ary ny fampiasam-bola ao anatin’ny orinasa, sns)
Tahan-ketra : 20%

Fotoana fandoavan-ketra: 

  • Farafahatarany ny faha 15 ny volana May amin’ny taona manaraka ny taona nizarana ny zana-bola sy ny zana-tombony raha toa ka mifanitsaka amin’ny taona sivily ny taom-piasana,
  • Farafahatarany ny faha 15 ny volana Novambra amin’ny taona nizarana ny zana-bola sy ny zana-tombony raha toa ka mifarana ny 30 Jona ny taom-piasana,

Hetra alaina amin’ny karama sy ny mitovy aminy (IRSA)

Hetra alain’ny mpampiasa amin’ny karaman’ny mpiasa ao aminy anatin’ny volana iray ary arotsaky ny mpampiasa eny amin’ny Sampandraharan’ny Hetra.
Fikajiana ny hetra :

  • Ny karama sy ny toa azy hatramin’ny Ar 350 000 :  Ar 3 000
  • Ny karama sy ny toa azy mihoatra ny Ar 350 000:   5 %
  • Ny karama sy ny toa azy mihoatra ny Ar 400 000:   10 %
  • Ny karama sy ny toa azy mihoatra ny Ar 500 000:   15 %
  • Ny karama sy ny toa azy mihoatra ny Ar 600 000:   20 %

Fotoana fandoavan-ketra : 

  • Arotsaky ny mpampiasa isam-bolana ka ny faha 15 ny volana  manaraka ny volana nanalana izany tamin’ny karaman’ny mpiasa no fotoana farany handrotsahana azy,
  • Ho an’ireo mpampiasa (olon-tsotra na orinasa na fikambanam-barotra) manaraka lalànan’ny hetra tambatra na ny lalàna mifehy amin’ny vola miditra ka tsy nisafidy ny haba avy amin’ny tataom-bidy (régime reel simplifié), ka ny faha 15 ny volana manaraka ny fahataperan’ny enim-bolana no fara-fandrotsahana izany.

Haba avy amin’ny tataom-bidy (TVA)

Ny Haba alaina amin’ny tataom-bidy dia faritana avy amin’ny tombom-bidy na ny vola maty azon’ny orinasa na fikabanam-barotra nandritra ny volana iray rehefa avy notsoahina ny haba mitovy amin’izany naloa tamin’ny fandaniana.
Tahan-ketra : 20%

Fotoana fandoavan-ketra : 

  • Farafatarany ny faha 15 ny volana manaraka ny volana nikajiana ny hetra. 

ZO HAHAZO SERASERA

Isan-taona ny mpandoa hetra tsirairay, dia manana adidy hilaza sy hampahafantatra an-taratasy ny mombamomba ireo olona rehetra nifampiraharaha ara-barotra taminy nandritra ny taom-piasana teo aloha (vola naloa, totalim-bidin’ny varotra ambongadiny) mialoha ny 30 Aprily amin’ny taona hitsahina,

Adiresy: Service de Recherche et de la Programmation des Vérifications Fiscales

Immeuble des Finances et du Budget Antaninarenina
Porte 261
101 Antananarivo
Tél: 24 264 90  E-mail: dgi.drcf.srpvf@impots.mg
tranokala: www.impots.mg  

 

SAMPANDRAHARAHA MITANTANA NY ANTONTAN-TARATASIN’NY MPANDOA HETRA

Direction des Grandes Entreprises (DGE): 
mahefa manerana ny Nosy ho an’ireo Mpandoa hetra manana vola maty mitovy namihoatra ny Ar 4 000 tapitrisa (CA >= 4 Milliards d’Ar),

Service Régional des Entreprises (SRE): 
mahefa amin’ny faritra iray na maromaro ho an’ireo Mpandoa hetra manana vola maty eo anelanelan’ny Ar 50 tapitrisa sy Ar 4 000 tapitrisa,

Ivon-ketra: 
mahefa amin’ny toerana misy Mpandoa hetra raha toa ka manana vola maty latsaky ny Ar 50 tapitrisa ity farany (distrika iray na maromaro).