Mba
ho famatsiana ireo fandraharaham-panjakana sy ireo fototrasa
fampandrosoana amin’ny ampahany, ny fiaraha-misalahin’ny
rehetra amin’ny alalan’ny fandoavan-ketra dia
ilaina indrindra. Mba hanampiana anareo amin’izany fihetsika
olom-pirenena izany, ity tranonkala ity dia natokana ho an’ireo
orinasa lehibe eto Madagasikara hahafahan’izy ireo manao
ny fanambarana ara-ketrany amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra
ary koa mijery ny toe-ketrany.