FIM 2021
Tahaka ny isan-taona dia nandray anjara tamin'ny Foire Internationale de Madagascar (FIM) taona 2021, ny zoma 16 ka hatramin'ny alahady 19 septambra, ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny Hetra. Izany no natao dia ho fanohizana ny ezaka fanatonana ifotony ny mpandoa hetra, koa ankoatra ny fandraisana sy fanazavana ireo fanontaniana samihafa nanitikitika ny mpandoa hetra dia nahafahana nahazo karatry ny mpandoa hetra teo noho eo ihany koa teny an-toerana, ka nahitana solon-tenan'ireo ekipan'ny hetsika ANJARA Hetrako