mombamomba ny dgi

RAFARALAHY Edmond
Tale Jeneralin'ny Hetra
« Araka ny fanavaozana lehibe entin’ny Governemanta dia apetraky ny DGI ho laharam-pahamehana ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny olom-pirenena : Sampan-draharaha misokatra kokoa, paika ara-ketra mihatsotra kokoa ary fisitrahan-draharaha mahafa-po. Ny rafitra SAFI sy ireo karazana tolotra tsy an-kasika no anisan'ireo ezaka lehibe entinay hanamora ny fifandraisana amin’ny mpandoa hetra ary hitandroana ny fifampitokisana amin'ny rafi-panjakana sy ireo mpisitra-draharaha.
Mikatsaka fomba fiasa hentitra ny DGI mba hampanjakana hatrany ny mangarahara, ny rariny sy ny fahombiazana, ary hanohanana ny fanovana atao ao amin’ny Fanjakana ho tombontsoan’ny rehetra. »
Lalàna
Ato no hahitanao ireo Lalàna rehetra mahakasika ny Hetra,
ary ireo torolalana hahafahanao mamantatra
ireo zo sy adidy ara-ketra.
Rafitra
Ato no hamantaranao ireo mpitarika ny DGI, sy ireo tompon'andraikitra
isan-tsokajiny ary ireo rafitra rehetra afaka mandray anao.
Antontan'isa
Azonao jerena ato avokoa ireo tatitra sy voka-pikarohana maneho antontan'isa manodidina ny asa fampidiran-ketra eto Madagasikara.
Birao fandraisana ny mpandoa hetra
Isan'ny mpandoa hetra
Hetra voaangona
paika ara-ketra
Ato amin'ity sehatra ity no anamorana ny fanatontosanao ireo adidy ara-ketra.
Sehatra ahafahana manao ny filazana ara-ketra
sy ny fandoavana ireo hetra sy haba
ary manaraka ny mombamomba ireo taratasin-ketra.

Ao anatin'ny fanamafisana ny Ady amin'ny hosoka sy ny kolikoly, tsy ho ela ihany koa dia ho tafapetraka ny Rejisitra foiben’ireo mpisitraka tena izy an’ireo rafitra mizaka zo aman’andraikitra sy ireo fiorenana araka ny lalàna na "Registre Central des Bénéficiaires Effectifs" RCBE, Fiaraha-miasan'ny DGI sy ny SAMIFIN.
La modernisation fiscale se concrétise : SAFI est désormais opérationnel et eHetra a bénéficié d’une mise à jour. Agents de la DGI et premières vagues de contribuables ont pris part aux sessions de formations, afin de mieux s’approprier ces outils au service de tous.
Par ailleurs, les guides d'utilisation sont accessibles sur la plateforme et la Cellule d'assistance est également à la disposition des usagers pour assurer une prise en main rapide et efficace.
Nos équipes de testeurs travaillent sans relâche, samedi et dimanche, pour réaliser les ultimes vérifications de la plateforme SAFI.
Depuis plusieurs semaines, chaque fonctionnalité a été passée au crible, corrigée et améliorée. Ces derniers jours de tests, y compris sur des jours non ouvrés, sont la garantie que le lancement de SAFI se fera dans les meilleures conditions.
Le compte à rebours est lancé. Bientôt, chaque contribuable pourra accéder à des services fiscaux rapides, simples, accessibles 24/7.
Hita taratra nandritra izay 4 andro voalohan’ny foara izay ny hamaroan’ny olona niditra ao amin’ny valan’ny ara-dalàna, ka mpandoa hetra vaovao avy eto Analamanga sy avy any amin’ny faritra no noraisina teo amin’ny tranohevan’ny DGI.
Tsy niova ny toromarika amin’ny fahazoana eo noho eo ny Karatry ny mpandoa Hetra :
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 02 Septambra 2025 lasa teo ny fampiofanana anatiny andiany voalohany ho an'ny taona 2025, tao amin'ny efitrano fampianaran’ny Fitaleavana ny fampiofanana arak'asa eny Faravohitra.
Fampanarahana toetr’andro ny fomba fiasa, fanamafisana ny fahaiza-manao, ary tan-tsoroka amin’ny fametrahana fomba fiasa vaovao, indrindra amin’izao ankatoky ny fandraisana ny rafitra vaovao SAFI izao, no tanterahina mandritra ny roa volana.
Anisan’ny hohamafisina manokana ny fampiharana ireo lalàna sy paika ara-ketra mifehy ny hetra tsy mivantana, ny saram-pandraiketana, ny fitantanan-kaonty ara-elektronika ary ny fitsirihina ara-ketra.
Foibem-pitondrana ankapobeny ny Hetra 𝗹𝗶𝗮𝗺-𝗽𝗶𝘃𝗼𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮, 𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮.
mihaino anao ny dgi
Tatitra mahakasika trangana kolikoly, fitorohana samihafa na koa fizarana sosokevi-panatsarana ny fisitrahan-draharaha eny anivon'ireo biraon'ny Hetra,
Sehatra natao ho anao ity.
Tsy ho ela intsony dia hisokatra ho anao ny ivom-pifandraisan'ny DGI, vonona handray ireo fanontanianao mahakasika ny lalàna ara-ketra, paika arahana amin'ny fanatontosana ireo adidy ara-ketra,fampiasana ireo karazan-tolotra tsy an-kasika sy ny mombamomba ny taratasin-ketranao.











