Direction

Generale

des Impots

pour vous

Asa famorian-ketra: Mpirahalahy mianala ny Sampan-draharahan'ny hetra sy ireo Kaominina

Nohamafisina nandritra ny volana Martsa lasa teo ka hatramin’izao volana Aprily 2025 izao indray ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, amin’ny alalan’ireo Fitaleavam-paritry ny Hetra (DRI), sy ireo kaominina manerana an’i Madagasikara.

Ifampiankinan’ireo rantsamangaikan’ny fanjakana sy ireo ivon-ketra tokoa mantsy ny asa famorian-ketra, satria raha anjaran’ny Sampan-draharahan'ny hetra ny mikajy sy manangona ny hetra, dia ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na ny « collectivités territoriales décentralisées » kosa no mitantana ny vola miditra amin’ny alalan’ny hetra.

Rakitra an-tsary :

  • Fianarantsoa, 20 martsa 2025 : Atrik’asa niarahana tamin’ny INDDL, tao amin’ny tanànan’i Fianarantsoa, ho fampahafantarana ireo loharanom-bola ho an’ireo kaominina 91 ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony.
  • Antsirabe, 21 martsa sy 04 aprily 2025 : Fihaonan’ny ekipan’ny DRI Vakinankaratra sy ny Lefitra faharoan’ny Ben’ny Tanàna ary ireo mpisehatra ara-toekarena sahanin’ireoo ivon-ketra ao amin’ny faritra.
  • Ambalavao, 27 martsa 2025 : Fifampizarana tamin’ny Ben’ny Tanàna rehetra ao Ambalavao momba ny hetran’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na ny « ressources fiscales des CTD » tao amin’ny Foyer des Jeunes Ambalavao ary fampahafantarana ireo fanovana entin’ny LFI 2025 ho an’ireoo mpandraharaha eo an-toerana.
  • Ihorombe, 09 aprily 2025 : Fivoriana niarahana tamin’ireoo Ben’ny Tanàna mahakasika ny fampitomboana ny fampidiran-ketra sy ny Hetran-tany ao amin’ny faritra.