Direction

Generale

des Impots

pour vous

Fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny Birao vaovao'nny SNAIM

Ny zoma 25 aprily 2025 no notanterahina tao amin’ny trano fivorian’ny Plan Anosy ny fametrahana amin'ny fomba ofisialy ny birao vaovaon’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Hetra eto Madagasikara na ny SNAIM. Izany dia noatrehan-dRamatoa ANDRIANAIVOHERY Florence Talen’ny Kabinetran'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ireo mpanolo-tsaina ara-teknika miara-miasa aminy, ireo Tompon'andraikitra isan’ambaratongany eto amin’ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny Hetra, ireo lehibena Sendika eto Madagasikara ary ireo solotenan'ny mpiasan’ny Hetra avy amin'ny lafivalon’ny nosy.


Ny 7 aprily lasa teo tokoa no tontosa ny fifidianana ireto mpikambana mandrafitra ny birao vaovaon'ny Sendika, ka lany ho Filoha tamin'izany Andriamatoa RANOELISON Dimbisoa Adrianno. Ramatoa RAKITANIAINA Pérpétue Félicité kosa no vehivavy voalohany lany ho Sekretera Jeneralin'ny SNAIM. 88,02% ny taham-pahavitrihan’ireo mpiara-miasa ary haharitra telo taona fe-potoana hitarihan'ireto mpikambana ireto ny sendika.


"Tsy hiady aman'olona no hatao, tsy olom-belona fa rafitra no hojerena ary ny fahafahana manatsara ny asa sy ny tontolon'ny asa" hoy ny Filoha vaovaon'ny SNAIM. Nisongadina nandritra ny fotoana araka izany ny firaisan-kinan'ny mpiasa ary indrindra ny fitohizan'ny fiaraha-miasa matotra sy akaiky eo amin'ny mpitarika eto anivon'ny DGI sy ny sendika ho an'ny tanjona iraisana dia ny fampivoarana ny asa fampidiran-ketra, sy ny hahatanteraka ny teny filamatry ny sampandraharahan'ny Hetra, izay nohamafisin'Andriamatoa GERMAIN, Tale Jeneralin'ny Hetra, "ho sampandraharaha mangarahara sy andrin'ny fisandratana".