Direction
Generale
des Impots
pour vous
Ny alarobia 7 may 2025, no notanterahina tao amin'ny efitranom-piofanan’ny Foibem-pitantanana Ankapobeny ny Hetra, eny Faravohitra, ny tapany voalohany amin’ny fampiofanana ireo mpiara-miasa eto anivon'ny DGI momba ny Rejisitra foiben’ireo mpisitraka tena izy an’ireo rafitra mizaka zo aman’andraikitra sy ireo fiorenana araka ny lalàna na RCBE, izay notarihan’ny ekipan’ny Fitalevana ny Fampiofanana ara-kasa, ny Fitalevana ny Lalàna ara-ketra sy ny fifanolanana ary ny Sampan-draharaha misahana ny rafitra ara-kajy mirindra.
Nahazo fanatevenam-pahalalana mikasika ny fepetra ara-ketra sy ny fandrafetana ary ny fampiasana ny RCBE (fepetra vaovao noraisina tao anatin’ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana ho an’ny taona 2024) ireo mpiara-miasa miisa 31 avy amin’ireo rafitra fototra sy ivon-ketra ary Sampandraharam-paritry ny orinasa samihafa, izay tena hiandraikitra ny fitsirihana ara-ketra sy ny fitrandrahana ireo angom-baovao voaray amin’izany.
Ny fampahafantarana ny lalàna sy ny fampiofanana ireo mpandoa hetra sy ireo Sampandraharaha samihafa voakasiky ny fikirakirana ny RCBE kosa no dingana manaraka. Izany dia ho tanterahina mialoha ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny sehatra ara-kajy mirindra RCBE, izay isan’ireo ezaka entin’ny DGI hirosoana hatrany amin’ny fametrahana ny fangaraharana, ny ady amin’ireo karazana koriam-bola tsy ara-dalàna, ny fisokafam-piaraha-miasa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary ny fampivoarana ara-kajy mirindra.
DGI, « Sampan-draharaha liam-pivoarana, mangarahara ary andrin’ny fisandratana »