Direction
Generale
des Impots
pour vous
Ny alatsinainy 05 mey ka hatramin’ny zoma 09 mey lasa teo no notanterahana ny andiam-pampiofanana faharoan’ireo mpiasa izay hifandray mivantana amin’ny mpandoa hetra ao amin’ny ivom-pifandraisana na « Centre de contact »-n’ny DGI, izay rantsana, andalam-pametrahana, iray, ho hita ao amin’ny Sampan-draharaha misahana ny fandraisana ireo mpisitra-draharaha sy ny serasera na ny « Service aux Contribuables et Communication ».
Taorian’ny fampiofanana amin’ny fampiasana ireo karazam-pitaovam-pifandraisana eo amin’ny « plateau », dia ny fomba fandraisana mpanjifa na ny « Gestion Relation Clients » (GRC) indray no nositrahan’ireo mpiasa voafantina handrafitra ny « Call center » ireo.
ireo no anisan’ny tanjona lehiben’ny fametrahana ity ivom-pifandraisana, izay hisokatra tsy ho ela intsony ity.
DGI, « Sampan-draharaha liam-pivoarana, mangarahara ary andrin’ny fisandratana »