Direction

Generale

des Impots

pour vous

ANJARA HETRAKO FIM 2025 - Maro ireo olom-pirenena maniry ny ho ara-dalàna

Nahasarika mpandraharaha madinika sy salantsalany maro ny hetsika Anjara hetrako teny amin’ny tranohevan’ny DGI teny amin’ny FIM, ny 22 ka hatramin’ny 25 mey lasa teo. Ireo mpisehatra amin’ny Cash points, Cybercafés ary varotra enta-madinika no tena navitrika tamin’izany.

Ankoatra ny fanamorana ny paika ara-ketra amin’ny fahazoana ny karatry ny mpandoa hetra, dia nampafantarina ireo mpitsidika ihany koa ny tombon-tsoa azo amin’ny maha-ara-dalàna, toa ny :


  • Fahazoana misehatra amin’ny tsenam-baro-panjakana,
  • Fahafahana mifampiraharaha amin’ny banky sy mpamatsy vola,
  • Fisitrahana karazana fampihenana hetra (réduction d’impôts, abattement fiscal),
  • Fisokafana amin’ireo mpisehatra ara-toekarena eto an-toerana sy any ivelany.


Hita taratra nandritra ireo efatra andro ireo fa tena mangetaheta ary mahatsapa tena ho tompon'andraikitra ireo olom-pirenena malagasy amin’ny fampandrosoana ny firenena.