Direction

Generale

des Impots

pour vous

Asa famoriam-bola amin’ny hetra : Mpirahalahy mianala ny Sampan-draharahan’ny hetra sy ny Kaominina

Ny talata 20 mey lasa teo no nandray ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, izay notarihan’Andriamatoa RAHARIJAONA Jean François, Filohan’ny SMKAR, ny Tale Jeneralin’ny Hetra, ny Talen’ny Teknika ara-ketra ary ny Lehiben'ny Sampan-draharahan'ny Fitantanana ny Hetra ifotony.


Nohamafisina tamin’izany ireo fanazavana amin’ny antsipirihany mahakasika ny fanovana izay entin’ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2025, mikasika ny fitantanana ny Hetra amin’ny fananana mifaka, dia ny Hetran-tany (IFT) sy ny Hetran-trano (IFPB) izany.


Notsipihana, araka izany, fa ny fikajiana sy ny famoriana ihany no iandraiketan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola amin’ny alalan’ny Sampan-draharahan'ny Hetra, fa ny fanisana ireo mpandoa hetra sy ny fisitrahana ny vola miditra amin’ny alalan’ny hetra kosa dia mijanona ho an’ny kaominina tanteraka. Tan-tsoroka araka izany no entin’ny DGI, amin’ny alalan’ny fametrahana andinin-dalàna mazava mandrindra ny fanaovana filazana ara-ketra sy ny fampiasana ireo fitaovana famorian-ketra manaraka ny haitao ara-kajy mirindra.


Nomarihana fa fanatsarana ny fampidiran-ketra ho an’ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana indrindra no tanjona lehibe anatin’izao fanovana fomba fiasa izao. Fotoana iray nifampihainoana sy nitondrana fampahafantarana ireo kipitsopitsony rehetra mety ho mbola nanjavozavo tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny kaominina tokoa ny fihaonana omaly ary nampatsiahivana indray fa ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena no ifanoloran-tanana satria « Mpirahalahy mianala » tokoa ny Kaominina sy ny Foibem-pitondrana Ankapoben'ny Hetra.