Direction

Generale

des Impots

pour vous

DGI - SACIMA : Fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny birao mpitarika vaovao

Tontosa omaly, alakamisy 19 jona, tao amin'ny efitrano fivorian’ny Plan etsy Anosy, ny Fifamindram-pitantanana Andriamatoa isany RAMANALINARIJAONA Haja-Zaka sy ANDRIAMIARISOA Albert Ansley, Filohan’ny Sendikan’ny Mpandraharahan’ny Hetra sy ny Mpanaramason’ny Hetra eto Madagasikara SACIMA ; Lanonana izay natrehan’Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Rivoniaina José, Mpanolotsain’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary nisolotena an-dRamatoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo sy ireo mpitarika eto anivon’ny Foibem-pitantanana ankapobeny ny Hetra ary ireo solotenan’ny mpiara-miasa manerana ny nosy.

Nanotrona izany fotoana izany ihany koa ny Filohan’ny Comité Ad’hoc izay nampatsiahy ny tena asan’ny sendika, araka ny voalazan’ireo Fifanekena laharana 151 sy 154, izay nankatoavin’ny Organisation Internationale du Travail (OIT), dia ny fandalana ny fifanatonana sy ny fifandaminana ara-tsosialy.

Nitsodrano ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Biraon’ny SACIMA kosa Andriamatoa GERMAIN, Tale Jeneralin’ny Hetra, ary nanamafy fa misokatra hatrany ny varavaran’ny komity mpitarika eto anivon’ny DGI, ho an’ny fifampihainoana ho fanatsarana ny tontolon’ny asa.