Direction
Generale
des Impots
pour vous
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 02 Septambra 2025 lasa teo ny fampiofanana anatiny andiany voalohany ho an'ny taona 2025, tao amin'ny efitrano fampianaran’ny Fitaleavana ny fampiofanana arak'asa eny Faravohitra.
Fampanarahana toetr’andro ny fomba fiasa, fanamafisana ny fahaiza-manao, ary tan-tsoroka amin’ny fametrahana fomba fiasa vaovao, indrindra amin’izao ankatoky ny fandraisana ny rafitra vaovao SAFI izao, no tanterahina mandritra ny roa volana.
Anisan’ny hohamafisina manokana ny fampiharana ireo lalàna sy paika ara-ketra mifehy ny hetra tsy mivantana, ny saram-pandraiketana, ny fitantanan-kaonty ara-elektronika ary ny fitsirihina ara-ketra.
Foibem-pitondrana ankapobeny ny Hetra 𝗹𝗶𝗮𝗺-𝗽𝗶𝘃𝗼𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮, 𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮.