TSY HO ELA INTSONY dia hisokatra ho antsika rehetra ny TOROHY, vavahadin-tserasera natokan’ny Foibem-pitantanana ankapobeny ny Hetra, handraisana ireo fitorohana izay mety ho trangana kolikoly ary ho fandrefesana ny kalitaon’ny fisitrahan-draharaha eny anivon’ireo biraon’ny Hetra.