Direction

Generale

des Impots

pour vous

Syndicat des inspecteurs des impôts de madagascar s2im : fametrahana amin'ny fomba ofisialy ny birao mpitarika vaovao

Ny talata 18 novambra 2025, no notanterahina tao amin'ny efitrano malalaky ny Plan Anosy, ny fifamindram-pitantanana teo amin’Andriamatoa ANDRIAMANIRAKA Marson Hugues, Filoha vonjimaikan’ny Sendikan’ny Mpisafo raharahan’ny Hetra na ny S2IM sy Andriamatoa ANDRIANJAFIMANANJARA Chamarly Gersain, Filoha mpitarika vaovao.

Notronin’ireo mpitarika eto anivon’ny Foibem-pitantanana ankapobeny ny Hetra ny lanonana, nialohavan’Andriamatoa ANDRIANIRINA Serge William, Tale misahana ny fandrindrana ny fampitaovana, nisolotena an’Andriamatoa RAFARALAHY Edmond, Tale Jeneralin’ny Hetra, ary teo ihany koa ny Vondron’ny mpiasam-panjakana ambony na ny "Fédération des Grands Corps" nanome voninahitra izany fotoana izany.