Direction

Generale

des Impots

pour vous

fampiofanana anatiny - prix de transfert
  • Ho fampiharana ireo torolàlana sy fitsipika ara-ketra iraisam-pirenena,
  • Ho fisorohana ireo karazana hosoka ara-ketra toa ny famindrana tombom-barotra an-kolaka ataon’ny vondrona orinasa,
  • Ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fanaraha-maso ara-ketra,
  • Ho fanamafisana ny mangarahara sy ny fifampitokisana eo amin’ny mpandoa hetra sy ny sampandraharaham-panjakana ary ny fiarovana ara-dalàna,

dia notontosaina ny herinandron’ny 15 desambra lasa teo ny 𝙥𝙧𝙤𝙜𝙧𝙖𝙢𝙖𝙢-𝙥𝙖𝙢𝙥𝙞𝙤𝙛𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙖𝙩𝙞𝙣𝙮 𝙢𝙞𝙠𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙖𝙩𝙖𝙤 𝙝𝙤𝙚 « 𝙋𝙧𝙞𝙭 𝙙𝙚 𝙩𝙧𝙖𝙣𝙨𝙛𝙚𝙧𝙩 », tao amin’ny efitrano malalaky ny Fitaleavana ny fampiofanana arak’asa etsy Faravohitra.

𝙈𝙥𝙞𝙖𝙨𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙝𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙢𝙞𝙨𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙚𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙩𝙨𝙞𝙧𝙞𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙧𝙖-𝙠𝙚𝙩𝙧𝙖 avy eto Analamanga sy avy any amin’ny faritra no nisitraka izany fampitomboam-pahalalana izany.