Direction
Generale
des Impots
pour vous
Tonga nitsidika sy nitondra ny teny fankaherezana an’ireo mpiara-miasa any Toamasina ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny Hetra, izay notarihin’ny Tale Jeneraly, Andriamatoa 𝗥𝗔𝗙𝗔𝗥𝗔𝗟𝗔𝗛𝗬 𝗘𝗱𝗺𝗼𝗻𝗱, ny Alakamisy 19 Febroary 2026. Ny tanjona dia ny hamaritana haingana ireo laharam-pahamehana amin’ny fanarenana, mba hahafahana mamerina ny asa sy ny tolotra ho an’ny mpisitra-draharaha.
Tombanana ho eo amin’ny 97%-n’ireo foto-drafitr'asa ao an-toerana no simba taorian’ny fandalovan'ny rivo-doza GEZANI, koa ho fepetra maika sy vahaolana vonjimaika, dia tapaka ny famindrana ny biraon’ny 𝗖𝗙 𝗧𝗼𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗔 sy 𝗕 ary ny 𝗦𝗥𝗘 ho eny amin’ny 𝗛ô𝘁𝗲𝗹 𝗱𝗲𝘀 𝗙𝗶𝗻𝗮𝗻𝗰𝗲𝘀, ambaram-pahavitan’ny asa fanarenana.
Novatsiana fitaovana vaovao ny fianakaviam-ben’ny DRI Atsinanana ary notolorana ny vokatry ny fiaraha-mientana sy firaisan-kina nasehon’ireo mpiara-miasa manerana ny nosy tamin’ny alalan’ny voin-kava mahatratra ihany koa, ho fanohanana ireo namana tra-boina.