Direction
Generale
des Impots
pour vous
Voasonia ny Alakamisy 26 martsa lasa teo, tao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Foibem-pitantanana ankapobeny ny Hetra (DGI) sy ny NR Consult, ho fanamafisana ny fampidirana ireo mpandraharaha madinika ao anatin’ny valan’ny ara-dalàna. Ity fifanaraham-piaraha-miasa ity dia fitohizan’ny ezaka amin’ny ady amin’ny fihanahan’ny sehatra tsy ara-dalàna, niarahan’ny roa tonta nanatanteraka nanomboka ny taona 2018. Ka mpisehatra ara-toekarena maherin’ny 15 000 no tafiditra tao anatin’ny rafitra ara-ketra ary nahazoana vola miditra amin’ny alalan’ny hetra mihoatra ny Ariary 9 miliara.
Ny tanjona dia ny hanamora ny fidiran’ireo mpamatsy entana sy mpisahan-draharaha madinika ao anatin’ny rafitra ara-ketra, amin’ny alalan’ny fanatsorana ny paika sy ny fanohanana azy ireo. Ny NR Consult no hiandraikitra ny fanangonana sy ny fampitana ireo antontan-taratasy amin’ny sampandraharahan’ny Hetra raha ny DGI kosa mitana irery ny fahefana ara-ketra, ny fankatoavana ireo antontan-taratasy ary ny fanaraha-maso rehetra.
Notsipihana tamin’izany fotoana izany fa miorina amin’ny fitsipika mazava ny fomba fiasa : hanampy fa tsy hanasazy, hampiditra fa tsy hanilika, hanamora fa tsy hanasarotra. Ary Samy hahazo tombony ny rehetra :
« Mpiara-miombon’antoka amin’ny fanorenana firenena matanjaka isika rehetra » hoy Andriamatoa RAFARALAHY Edmond, Tale jeneralin’ny Hetra.
Ity fifanaraham-piaraha-miasa ity dia manamafy ny finiavana iombonan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fananganana rafitra ara-toekarena matanjaka sy maharitra, ho an’ny fampandrosoana ny firenena.