Direction

Generale

des Impots

pour vous

safi : mitohy hatrany ny fampiofanana ireo mpiara-miasa

Ny Alarobia 25 Martsa 2026, dia anjaran’ireo mpiara-miasa miandraikitra ny fitantanana ireo antontan-taratasin’ny mpandoa hetra (gestion) sy ny famoriana ny hetra (recouvrement) eo anivon’ny Fitaleavana ny hetran’ireo Orinasa vaventy na ny Direction des Grandes Entreprises DGE etsy Amparibe indray ny nisitraka fanatevenam-pahalalana mikasika ny fikirakirana ny rafitra ara-rindram-baiko SAFI.

Raha tsiahivina dia efa nanomboka tamin’ny volana septambra 2025 no niova tanteraka ny sehatra iasana eo anivon’ny DGE, ary mitohy hatrany, manaraka ny fivoaran’ny fitaovana ampiasaina, ny tohana ara-teknika, mba hahatombana ny fomba fiasan’ny tsirairay.

Ny ekipa SAFI, izay tarihin’ny mpanolo-tsaina ara-teknika an’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Hetra momba ny fironana amin’ny haitao ara-kajy mirindra, Jean Bosco Niryikindi, moa no nampita ny fampiofanana tamin’ireo mpiara-miasa miisa 40 eo anivon’ny fitaleavana.