Direction
Generale
des Impots
pour vous
Herinandro faharoa ho an’ny dingam-pampiofanana farany an’ireo andiam-piara-miasa hisehatra ao amin’ny Call center DGI, ny herinandron’ny 23 martsa lasa teo. Taorian’ny fanazarana amin’ny fomba fandraisana olona sy ny serasera na ireo « soft skills », izay natolotry ny ekipan’ny Konecta Madagascar teny amin’ny tranoben’ny Fitaleavana ny Fandrindrana ny Fampitaovana eny Anosy, dia fampatsiahivana sy fandalinana ireo lalàna sy paika ara-ketra samihafa indray no nentin’ireo mpampiofana avy ao amin’ny Fitaleavana ara-teknika sy ny Fitaleavana ny fampiofanana ara-ketra eto anivon’ny DGI.
Nohamafisina nandritra izany ihany koa ny fahaizana mikirakira ireo sehatra ara-rindram-baiko sy tolotra tsy an-kasika ampiasain’ireo mpandoa hetra, toa ny e-Hetra, ny Hetraonline sns.
Mbola hitohy herinandro maromaro moa ity programam-pampiofanana ity, ka ny tanjona dia ny mba ho mpiasan’ny Hetra vonona sy mahatolotra fisitrahan-draharaha tomombana sy tsara kalitao ho an’ireo mpandoa hetra ireo mpiara-miasa izay handray an-tanana ny ivotoeram-pifandraisana ireo.