Direction

Generale

des Impots

pour vous

Toamasina : Fihaonan’ny Sampan-draharaham-panjakana sy ny sehatra tsy miankina na DPP.

Notontosaina androany, talata 17 desambra, tao amin'ny STREAMLINER Toamasina ny "Dialogue Public Privé", fihaonan’ny Sampan-draharaham-panjakana sy ireo mpisehatra amin’ny fanondranana jirofo, nitondran’ireo tompon'andraikitra ato amin’ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny Hetra fanazavana mahakasika ny Hetra amin’ny vola miditra amin’ny fanondranana na ny Impôt sur les Revenus à l'Exportation (IREX).


Novalian’ireto teknisianina izay notarihan’Andriamatoa GERMAIN, Tale jeneraly ireto, avokoa, araka izany, ireo fanontaniana rehetra mahakasika ity karazan-ketra ity. Ary nohamafisina tamin’izao hetsika izao ny fifampihainoana eo amin’ny roa tonta, ho fampivoarana ity sehatr’asa ara-toekarena ity.