Direction
Generale
des Impots
pour vous
Taorian’ny andrana voalohany notanterahin’ny ekipa teknika, izay ahitana ny SAMIFIN, EITI, RNCS, EDBM ary ny Fitaleavana ny fitsirihana anatiny na ny DAI eto anivon'ny MEF, dia solotenan’ny mpandoa hetra miisa 34, sahanin’ny Sampan-draharaham-paritry ny Orinasa (SRE) Analamanga 1 sy 2 ary ny Fitaleavana ny Orinasa Vaventy (DGE), no nandray anjara tamin’ny « 𝘁𝗲𝘀𝘁 𝘂𝗻𝗶𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲 » amin’ny fampiasana ny sehatra « 𝗥𝗲𝗴𝗶𝘀𝘁𝗿𝗲 𝗖𝗲𝗻𝘁𝗿𝗮𝗹 𝗱𝗲𝘀 𝗕é𝗻é𝗳𝗶𝗰𝗶𝗮𝗶𝗿𝗲𝘀 𝗘𝗳𝗳𝗲𝗰𝘁𝗶𝗳𝘀 » (RCBE), izay natao tao amin’ny efitrano fivorian’ny Sampan-draharaha misahana ny rafitra ara-kajy mirindra (SSIF) Mandrosoa, ny 𝘁𝗮𝗹𝗮𝘁𝗮 𝟮𝟬 𝘀𝘆 𝟮𝟭 𝗮𝗽𝗿𝗶𝗹𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲 lasa teo.
Raha tsiahivina, ny fametrahana ny RCBE na 𝗥𝗲𝗷𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗳𝗼𝗶𝗯𝗲𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗶𝘇𝘆 𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗿𝗮𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗶𝘇𝗮𝗸𝗮 𝘇𝗼 𝗮𝗺𝗮𝗻’𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗳𝗶𝗼𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹à𝗻𝗮, dia isan’ireo ezaka entin’ny DGI hirosoana hatrany amin’ny fanamafisana ny 𝗳𝗮𝗻𝗴𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮, ny 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗸𝗮𝗿𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗸𝗼𝗿𝗶𝗮𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝗱𝗮𝗹à𝗻𝗮, ny fisokafam-piaraha-miasa eo amin'ny 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 ary ny 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘃𝗼𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 ara-kajy mirindra.
Amin’ny maha-andrana ara-teknika azy, ny tanjon’ity dingana ity dia ny hahafahana mitsirika sy mamantatra mialoha ireo mety ho fanitsiana ilaina mba hahatomombana tanteraka ny rafitra. Ny Sampan-draharahan’ny Hetra iraisam-pirenena (SFI) eo anivon’ny Fitaleavana ny Lalàna ara-ketra sy ny fifanolanana (DLFC), ny SSIF, notronin’ny Fitaleavana ny Fampiofanana ara-kasa (DFP), ary ireo tompon'andraikitra amin’ny fikirakirana ny antontan-taratasin’ny mpandoa hetra ao amin’ny SRE sy ny DGE no niara-nisalahy nanatontosa ny andrana.