Direction

Generale

des Impots

pour vous

Rejisitra foibe anโ€™ireo mpisitraka tena izy - rcbe

Notontosaina ny16 jona 2026, teo ambany fiahianโ€™ny ๐—™๐—ถ๐—น๐—ผ๐—ต๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ผ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ฅ๐—ฒ๐—ฝ๐—ผ๐—ฏ๐—น๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ถ ๐— ๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—ด๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ, ny ๐—ž๐—ผ๐—น๐—ผ๐—ป๐—ฒ๐—น๐˜† ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—œ๐—”๐—ก๐—œ๐—ฅ๐—œ๐—ก๐—” ๐— ๐—ถ๐—ฐ๐—ต๐—ฎรซ๐—น, ๐—ป๐˜† ๐—ฃ๐—ฟ๐—ฎ๐—ถ๐—บ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—Ÿ๐—ฒ๐—ต๐—ถ๐—ฏ๐—ฒ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—š๐—ผ๐˜ƒ๐—ฒ๐—ฟ๐—ป๐—ฒ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ฎ, ๐—ฅ๐—”๐—๐—”๐—ข๐—ก๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—ก ๐— ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐˜๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐— ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ง๐—ผ๐—ฒ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—™๐—ถ๐˜๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—บ-๐—ฏ๐—ผ๐—น๐—ฎ, ๐——๐—ฟ ๐—ฅ๐—”๐— ๐—œ๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ฆ๐—ข๐—ก ๐—›๐—ฒ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐—ท๐—ฎ๐˜๐—ผ๐˜ƒ๐—ผ ๐—”๐—ถ๐—บรฉ, teny aminโ€™ny NOVOTEL Ivandry, ny fanamarihana aminโ€™ny fomba ofisialy ny fanolorana ny Rejisitra foibe anโ€™ireo mpisitraka tena izy eto Madagasikara. Izany dia natao ho fanamafisana ny ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ด๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ-๐˜๐—ผ๐—ฒ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐˜€๐˜† ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ-๐—ฏ๐—ผ๐—น๐—ฎ, antoky ny hitsiny aminโ€™ny fanatanterahana ny adidy ara-ketra ary mikendry ny ๐—ฎ๐—ฑ๐˜† ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ผ๐˜€๐—ผ๐—ธ๐—ฎ ara-ketra sy ireo ๐—ณ๐—ถ๐—ธ๐—ผ๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ๐—บ-๐—ฏ๐—ผ๐—น๐—ฎ ๐˜๐˜€๐˜† ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ-๐—ฑ๐—ฎ๐—นร ๐—ป๐—ฎ.

Ny RCBE dia sehatra elektronika ahafahana mampivondrona sy mitahiry ireo fanambarana momba ireo Mpisitraka Tena Izy (Bรฉnรฉficiaires Effectifs), izany hoe ireo olona manana na mampihatra ny fahefana ao anatinโ€™ny rafitra mizaka zo amanโ€™andraikitra (personne morale) aminโ€™ny sehatra tsy miankina ary ireo fiorenana araka ny lalร na (construction juridique).

Voakasikโ€™ity adidy fanambarana ity, aminโ€™izao fanombohana izao, ireo rafitra mizaka zo amanโ€™andraikitra rehetra eo aminโ€™ny sehatra tsy miankina, toy ny ยซ sociรฉtรฉs commerciales, sociรฉtรฉ civile, coopรฉrative, groupement dโ€™intรฉrรชt รฉconomique, associations, organisations non gouvernementales, fondation ยป ary ireo rafitra mizaka zo amanโ€™andraikitra hafa eo aminโ€™ny sehatra tsy miankina ka miasa eto Madagasikara. Tsy voakasika kosa ยซ ny entreprise individuelle ยป sy ny sociรฉtรฉ dโ€™Etat raha toa ka 100% ny renivola anananโ€™ny fanjakana ao aminy.

Ny fanambarana dia atao aminโ€™ny alalanโ€™ny sehatra #RCBE ary mety ho fanambarana eo am-piandohanโ€™ny fananganana ilay rafitra izany, na fanambarana isan-taona, na fanambarana fanitsiana raha misy fiovana.

Marihina fa tsy misy sara ny fametrahana fanambarana momba ny mpisitraka tena izy ao aminโ€™ny RCBE.

Manentana ireo rafitra mizaka zo amanโ€™andraikitra rehetra voakasika ny Foibem-pitantanana Ankapobenโ€™ny Hetra mba hanatanteraka ara-potoana ny adidiny aminโ€™ny fanambarana ny mpisitraka tena izy.